Zava-Misié (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(zannn zavamisié, zava misy any amin lesany)

ratsa-tanako isaho fa folo no isany
fa na dia izany aza indraindray tsy mahay manisa
reo makorelina no enjehan'lesany
filahy be entana ndraindray toa tsy fanisy a

vadin'olon-kafa no andaniany ny volany
vadiny ao atrano lazainy fa omeny ny volana
hitsakitsahiny e, tsy natahorany
fa lehilahy efa ela koa no te hanitsaka ny volana

resaka loha-body
fa vehivavy ankehitriny no lasa fanafody e
fa hatsarana fopla
mason'elah no gila fa volan'lah no raofiny a

zava-misy zany tany amin'ny tanana a
be dia be ny kozy izay tsy voa-tantara
inspiraka ny fiainan'ny akama
nataonay vazovazo teny ambonina gitara

zava-misy zany tany amin'ny tanana a
be dia be ny kozy izay tsy voa-tantara
inspiraka ny fiainan'ny akama
nataonay vazovazo teny ambonina gitara

tsy sanatria tsy angaro-mbilanin'ny hafa
satria izay anie hoa ilay tsy maha-tafa
fa raha zavatra marina tonga dia lazaiko
fa izaho kosa tsy hihafahafa a

fa tsy haiko aloha izay anton'izany
nefa zava-misy ka tantaraiko ihany
fa tsy haiko aloha izay anton'izany
nefa zava-misy ka tantaraiko ihany

fa zany manko ny zava-misy e
fa zany manko ny zava misié

fa raha diso ialako tsiny
aleho ny lelako ateliko
avadiko im-pito
dia 'ty vazo 'ty ho averiko amin'

tompon'ny teny fa zah
tompon'ny tany
mitapy ny tari oe
aza manontany

fa mpivady mifamaly ve dia ho rarahin'ny olona
tokatrano lafatra no tonga fiaraha-monina
sayda manalazy satria ny mpiaino anazy cool
nenazy zava-misy fa tsy zavatra foronina

(ie, efa izany no zava-misy e
zava-misy any amin'ny tanananay
zava-misy any amin'ny tananan'ialahy
sayda houn oe miresaka vehivavy foana
nefa ny vehivavy no lasa loha-pianakaviana
lasa renin'ny firenena
izay no fiaraha-monina)

tsy sanatria tsy angaro-mbilanin'ny hafa
satria izay anie hoa ilay tsy maha-tafa
fa raha zavatra marina tonga dia lazaiko
fa izaho kosa tsy hihafahafa a

fa tsy haiko aloha izay anton'izany
nefa zava-misy ka tantaraiko ihany
fa tsy haiko aloha izay anton'izany
nefa zava-misy ka tantaraiko ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 3845
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Lovaniainaricky
Daty : 26/01/2017 12:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0781