Mba marina anie (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa zaho ho'aho tsy sarotiny
Na dia efa an'olon-kafa aza ianao
Fa ny fonao manan-tompony
Manome anao izay sahaza anao (mba marina anie)

Fa 'zaho sakaiza mitampify
Miandry ny anjara tandrify
Miandry ny hitodianao
Hijery anahy fa saingy indrisy

Tsy tazanao akory angamba ny masoko mijery
Mba mipitrapitra miantso anao
Mangata-maso anao ho'aho 'zaho fa mba mitodiha kely
Efa hatry ny ela no naniry anao (vetivety ihany)

Na dia efa potipotiny aza ny avy any
Dia tsy ho sarotirotiny amin'izany aho
Na dia efa potipotiny aza ny avy any
Dia tsy ho sarotirotiny amin'izany aho

Raha toa manaiky ianao, raha toa manaiky ianao dia
Ho ento aty fa ho soloiko vaovao be
Raha toa manaiky ianao, raha toa manaiky ianao dia
Ho ento aty fa ho soloiko vaovao be
Vaovao be, fitiavana vaovao be
Vaovao be, fitiavana vaovao be

'Zaho aloha tia anao, kanefa nisy tonga aloha
'Zaho angamba no adala sy mitady aretim-po
Omeo anjara kely izaho fa tsy midongy ho tompony
'Zay mba foinao ho'aho na dia fitia sombitsombiny

(Marina anie zany e)
Fa ifaliako izay omenao ahy
Ataoko toy ny volamena malala
Ny andro iray izay hanekenao ahy
Vohaiko ho anao ny foko midanadana

Midira dia mitoera fa omeko anao ny foko
Ataonao fonenana raha sanatria toloko ô
Na koa oe torovana fa nampijaliana...

Na dia efa potipotiny aza ny avy any
Dia tsy ho sarotirotiny amin'izany aho
Na dia efa potipotiny aza ny avy any
Dia tsy ho sarotirotiny amin'izany aho

Raha toa manaiky ianao, raha toa manaiky ianao dia
Ho ento aty fa ho soloiko vaovao be
Raha toa manaiky ianao, raha toa manaiky ianao dia
Ho ento aty fa ho soloiko vaovao be
Vaovao be, fitiavana vaovao be
Vaovao be, fitiavana vaovao be

Tsy tazanao akory angamba ilay masoko mijery
Mba mipitrapitra miantso anao
Mangata-maso anao ho'aho fa mba mitodiha kely
Efa hatry ny ela no naniry anao

Na dia efa potipotiny aza ny avy any
Dia tsy ho sarotirotiny amin'izany aho
Na dia efa potipotiny aza ny avy any
Dia tsy ho sarotirotiny amin'izany aho

Raha toa manaiky ianao, raha toa manaiky ianao dia
Ho ento aty fa ho soloiko vaovao be
Raha toa manaiky ianao, raha toa manaiky ianao dia
Ho ento aty fa ho soloiko vaovao be
Vaovao be, fitiavana vaovao be
Vaovao be, fitiavana vaovao be
--------
Rohy:
Hevitra
StellaMarice3497 ( 24/10/2017 19:40)
tena tiko io hira io a!!!! tena mampihetsi-po
finaritra29 ( 14/12/2017 12:52)
ao tsara sayda a!
Ny_Arlinah ( 18/04/2018 13:03)
Voaray am-po le vazo e! mlay
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 72659
Mpankafy : 22 Ankafizo
Nampiditra : Lovaniainaricky
Daty : 14/03/2017 19:02
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143