Fiainanay roa (Mr Sayda (Misié Sayda))

Nahazakako anao iny àry môtô taratasy e
Ny epistily folo mbola tany an-dakilasy e
Soratako mazava tamin’ny teny malagasy e
Tadidinao ve hoe : « Ianao tiako be mihitsy dia ahoana ? »
Fiarahantsika adaladala kely
Sarintsika roa mba niaraka aza teny Analakely
Feno antsika ny elakelan-trano
Iza moa no nanampo hoe ho mpivady tsika any aoriana any e ?

Reventsika milay ny video fa tsy mahatakatra cinéma tsika hijerevàna Titanic e
Aleo ato an-trano mihaino radio o, sady any ivelany any mangatsika e
Dia rehefa mandeha ilay vazo dia mba miaraka mandihy slow (mandihy slow)
Otrany any amin'ny Palais des Sports e
Asivo tabataba be

Fiv. indroa:
'Zany ny fiainanay roa, marina mafy e
'Zany ny revinay roa, marina mafy e
Faly be zahay, na lazainareo fa miafy e
Tokantranonay revenay otrantononkira.serasera.orgy any andafy e
Izay tsotsotra, tena tsotsotra
Tsotsotra, tsy tia mipoipoitra
Tsotsotra, tena tsotsotra
Tsotsotra, tsy tia mipoipoitra

Firy tamin'ny bokona aza moa no nanaratsy e
Hoe very enao rasipa nanambady mpanao rap e
Sady tsy misy avenir 'reny mba fahotana mahafaty e
Tsy aleonao ve le bandy mpanamorin'ny AirMad e (kôzy e)
Ekena hoe raha za tena mignion, nefa itsy anie million sady mba mandeha avion
Naleonao le tsotra fa BG, na tsy nanam-bola be otrany lery PDG (yeah man)

Reventsika milay ny fiainantsika
Tsika koa zatra kalesa ve dia handeha 4x4 e (Aya)
Tairo fa bataiko raha mavesatra e (Aya)
Entanao na firy kilometatra e (Aya)
Fa tongatsika foana Ampefiloha
Vitantsika io satria génération mafy loha
'Za plus anao io dia ianao plus anah
'Zay tany misy anao dia efa tany misy anah

Fiv. indroa






Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Mpamaky : 305
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : josihary
Tamin'ny : 08/09/2018 07:21:43
ID : 10952

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo