TOMPO Ô EKEKO TSOTR'IZAO (Mpitory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô ekeko tsotr’izao
Ity antsonao miangavy mitalaho
Fa ny fotaky ny hadalako
No hitalahoanao mba hialako
Tompo ô ekeko tsotr’izao

Fa tsy fantatro akory
Fa ny fiainako rehetra dia efa ho very
Ô ry Tompo ô!
Tsy nafoinao hiosom-bovo-pahotana
Hihanahana
Ity tenako nisalasala
Tsy nafoinao ho latsaka an-davaka ka hitomany
Fa nekenao mab ho tianao ka narovanao hatrany hatrany
Feno hafaliana ty foko fa manana Anao
Be fitia tsy mahafoy
Fa manoro raha toa tsy mahay
Fa raha tsy noho izay Fitiavanao ahy izay angamba
Dia efa ho very aho dia efa very aho
Dia efa very aho hatr’izay!

Tompo ô ekeko tsotr’izao........

Ny mpitory
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mpitory
Vangy : 14813
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 26/07/2002 16:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732