Ravoravo (ft. Jao) (Ny Mpiremby & Sisters)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izahay ravoravo ô !
Manana Tompo izahay ravoravo
Izahay ravoravo ô !
Manana Tompo izahay ravoravo
Izahay ravoravo ô !
Manana Tompo izahay ravoravo
Izahay ravoravo ô !
Manana Tompo izahay ravoravo


Faly ny fo sady ravoravo
Nomen'Andriamanitra tombon'andro eh !
Satria tratr'izao andro anio izao
Dia tonga hidera ny Anarany eh ! eh !

Lehibe loatra raha ny Fitiavany
Namonjeny an' izao tontolo izao eh !
Natolony ilay Jesosy zanany
Nahatonga ahy hilamina toy izao eh !

Ref :
Hidera ny Tompo mandrakariva
Hidera azy maraina, atoandro, hariva
Tonga hifaly sy mankalaza eh !
Mankalaza ny anaran'ny malaza
Derao ny Tompo mandrakariva !
Hidera azy maraina, atoandro, hariva
Tonga hifaly sy mankalaza eh !
Mankalaza ny anaran'ny malaza

Faly ny fo sady ravoravo
Nomen'Andriamanitra tombon'andro eh !
Satria tratr'izao andro anio izao
Dia tonga hidera ny Anarany eh ! eh !

Lehibe loatra raha ny Fitiavany
Namonjeny an' izao tontolo izao eh !
Natolony ilay Jesosy zanany
Nahatonga ahy hilamina toy izao eh !

Ref : ...

Mpiventy
Misaotra Jeso fa narovanao
Sady matanjaka toy izao
Nomenao hery fahasalamana
Mbola nanaovanao fahagagana
Ny asan'ny Tompo mahalavorary (oy! oy!)
Andriamanitra tompon'ny zavaboahary
Saotra no atolotro be dia be (oy! oy!)

Baba ah ! Niny eh !

Ref : ...

Izahay ravoravo ô !
Manana Tompo izahay ravoravo
Izahay ravoravo ô !
Manana Tompo izahay ravoravo
Izahay ravoravo ô !
Manana Tompo izahay ravoravo
Izahay ravoravo eh ! eh ! eh !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Mpiremby & Sisters
Vangy : 2364
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : aro17
Daty : 09/04/2017 14:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2094