Ny Feoko sy ny Fahaizako (ANTEMA FIDERANA) (MIRAY FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Tsy misy ataoko ambony noho ianao ry Jesoa,
ny fiainako rehetra eo an-tànanao.
Ny herinao irery no angatahiko,
hitantana ny dianay ety.

REFRAIN: Ny feoko, ny fahaizako
atokako ho Anao, hiderako Anao
Ianao no velona ao anatiko ao
vonona aho ny ihira ho Anao,
Mampandresy ahy hatrany Ianao.
(Mampandresy ahy Ianao Jesoa.)

2.Ianao Jesoa no velona ao anatinay,
mitantana isan'andro ny mpanomponao.
Mpanjaka tokana azo itokiana;
miahy ny fiainanay mandrakizay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIRAY FIDERANA
Vangy : 1443
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fitiavana17
Daty : 05/12/2017 16:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776