MIALOKA AMINAO (MIRAY FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia maro aza ny fisedrana ety,
tadidio fa Jesoa tia,dia manolotra fitia
Ho ahy sy ho anao malàlany,tsy mba foiny,
tsy tiany hisy ho very ireo ondriny.

Andeha isika mba hifandray tànana,
hitory teny soa ho an'ireo namana.
Ho fanilo mpanazàva,hankatoa ny sitrakao,
ka tsy hanan-tahotra,fa mialoka aminao.

Ianao Jesosy ô,no azoko antoka tokoa,
arovy aho ho eo ambany elatrao mandrakizay.
Ka n'inona n'inona,hisakatsakana;
dia matoky aho,fa eo hatrany IANAO.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIRAY FIDERANA
Vangy : 1101
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fitiavana17
Daty : 29/10/2017 13:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723