Satria lalaonao (Mirado)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia nampitomanianao mihitsy aho
Vao navelanao handre ny ao am-ponao
Rahampitso lavanao, tena leo aho
Zay no nidongiako dieny anio ny hitoerako am-ponao
Fa mody nihodinkodina aminao
Satria lalaonao

Sanatria ny hoe mila vaniny aho
Raha mihazona ny tananao,
Tsy menatry ny mitalaho na ny hangaina,
Tsy manahy na hipitrapitra eo
Fa hainao ny nandresy ahy ka dia resy aho

Niherika aho nijery ny andro lasa,
Ny sangy sy fanaonao teny amin'ny hafa
Dia mitanondrika aho, kanefa
Topi-masonao mijery, taratry ny ao am-po tsy miery

Niherika aho nijery ny andro lasa,
Ny sangy sy fanaonao teny amin'ny hafa
Dia mitanondrika aho, kanefa
Topi-masonao mijery, taratry ny ao am-po tsy miery
Hay niavosa fa nataonao kilalao

Eto aho vao nanomboka nitsiky anao
dia nipararetra foana teo aho
Dia namihina anao toy ny adala
Aza tsiny, n'iza n'iza tsisy hahaisotra ny hafaliako
Lalim-paka ao anaty, te hitroatra tafahoatra

Mino aho,f 'ianao 'lay tokako olon-tiana
F'izay noheveriko ho tratry ny heriko
'Zay no faniriako ooh,
Na ny ato am-poko na ny ato an-tsaiko na ny ato anatiko
Dia tapitra aminao manontolo
Dia nampitomanianao mihintsy aho
Vao navelanao handre ny ao am-ponao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mirado
Vangy : 2233
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ulrichandry
Daty : 14/05/2019 10:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073