You are here: home > Tononkira > Les Rafrà

Tolory tanana (Les Rafrà)

Mandondom-baravarana
Mahatsiaro mila anareo namana
Mba mila fanampiana fa
Irery  tsy mba manana

Midododo mandeha mitady
Mahatsiaro ho hazo boboka amoron'ny hady
Ka mila fanampiana
Mba ho entina hiady


Tolory tanana fa aza avela
Aza avela handadilady
Ampidiro an-tanàna aho ho aho
F'aza avela eto ambavahady (2)


Fa kotsakotsan'ny orana
Nefa izahay tstononkira.serasera.orgy mba manan-kialofana
Ka mila fanampiana
Fa ny tena efa torovana

Midododo mandeha nitady
nahatsiaro ho hazo boboka amoron'ny hady
Ka mila fanampiana
Mba ho entina hiady


Tolory tanana fa aza avela
Aza avela handadilady
Ampidiro an-tanàna aho ho aho
F'aza avela eto ambavahady (2)


Mandondom-baravarana
Mahatsiaro mila anareo havana
Mba mila fanampiana fa
Irery  tsy mba manana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Les Rafrà
Mpamaky : 2002
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : jajy-randria
Tamin'ny : 18/10/2013 20:49:48
ID : 6387

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo