Tsika roa (MIKEA (Théo Rakotovao))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahatsiaro ny taloha vao niarahan-tsika roa
Ka mila ho lasa adala aho
Indrisy zao no niafarahany
Fiarahana mamy nahitana ny soa
Hitan'olon-kafa, natao zay hampiova anao

Manantena anefa aho,
fa tsy sahinao ny handao
Resaka olona mandalo,
tsy andaozanao tokantrano
Tsika roa

kely saina ianao raha nahavita izay tsy natao. Heloka be vava
F'lay voady natao napetrakao
Zaho hanaja ny teny mihozona koa tsy hitady olon-kafa
fa miandry anao ato an-trano
Aza ilaozanao fa tsy nisy ratsy natao
Vavan'olona ve? hampiova anao andeha

Manantena anefa aho,
fa tsy sahinao ny nandao
Resaka olona mandalo,
tsy andaozanao tokantrano
Tsika roa

manantena anefa aho fa tsy sahinao ny handao
resaka olona mandalo tsy andaozanao tokantrano
Tsika roa (4)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIKEA (Théo Rakotovao)
Vangy : 2946
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Jock
Daty : 11/02/2015 09:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716