Mahatsiaro (MIKEA (Théo Rakotovao))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taogna maromaro izay no tsy niaviako agny aminay agny
Olo aby an-tanagny fa tseriky ahy fitadiava toy tsy môra mama a
Mahatsiaro anao zaho tany niaviako ô many anareo longoko atoy
Hahita anareo foana no fagniriako e ! Tsy hita ny atao ndra tegna tsy mahafoy

Lavitsy loatra ty tany misy anahy, ka antsa antsa ro sisa mba mampatia
Fombafomba nisy tamireo razambe misy anany zao
Lavitsy loatra ty tany misy anahy, ka antsa antsa ro sisa mba mampatia
Fombafomba nisy tamireo razambe misy anany zao
K'aza malahelo agny anao mama, tsy mbola niova zaho zanakao
Tsofy rano zaho atoy baba, andro araiky mbo ho avy avao !

O raniny ! hanao akory e gny hiafarako ?
'Nareo atoy ka malahelo ô fa ho avy aho
E raniny e ! hanao akory e gny hiafarako ?
'nareo atoy ka malahelo ô fa ho avy aho

E agny avao gn'agny zay lahy !

Taogna maromaro izay no tsy niaviako agny aminay agny
Olo aby an-tanagny lagny fanahy fitadiava toy tsy môra zama a
Mahatsiaro anao zaho tany nagniriako ô many anareo longoko atoy
Hahita anareo foana no fagniriako ô ! Tsy hita ny atao ndra tegna tsy mahafoy

Lavitsy loatry ty tany misy anahy, ka antsa antsa ro sisa mba mampatsia
Fombafomba nisy tamireo razambe lovagnany e zao
K'aza malahelo agny anao mama, tsy mbola niova zaho zanakao
Tsofy rano zaho atoy baba, andro araiky mbo ho avy avao !

O raniny e ! hanao akory e gny hiafarako ?
'Nareo atoy ka malahelo ô fa ho avy aho
E raniny e ! hanao akory e gny hiafarako ?
'nareo atoy ka malahelo ô fa ho avy aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIKEA (Théo Rakotovao)
Vangy : 27037
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Bditra
Daty : 21/08/2014 11:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112