Impiry impiry (MIKEA (Théo Rakotovao))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tomany isan'andro anie izy
Nilaza foana ny handeha
Ngamba misy olon-kafa tiany e
Mila vaniny amiko e
Tsisy ratsy izay nataoko
Ka nahatonga an'izao
Ny alahelonao ka mifona e

Impiry impiry ianao nilaza ny handeha e
Dia sahinao ve ny hisaraka amiko e
Efa impiry ianao nilaza tsy tia
Izaho no nitana satria tena mbola tia

Tomany isan'andro anie izy
Lazainy fa nampijaly azy aho
Izy no efa tsy tamana e
Manao izay fomba mba ialana
Tato ho ato ianao tsy hita
Lazao ny marina ambarao
inona ny ataoko ?
Mifona e

Nefa impiry impiry ianao nilaza ny handeha e
Dia sahinao ve ny hisaraka amiko an
Efa impiry ianao nilaza tsy tia
Impirimpiry ianao nilaza ny handehae
Dia sahinao ve ny hisaraka amiko an ah
Efa impiry ianao nilaza tsy tia
Izaho no nitana satria tena tia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIKEA (Théo Rakotovao)
Vangy : 23526
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/01/2015 09:13
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124