You are here: home > Tononkira > MIckael

Tsy misy (MIckael)

1-Tsy misy nateraka hahantra ka hiangavy
Fa manan-jo amin’ny anjara masoandrony avy
Tsy misy nateraka hitalaho ka hitomany
Hihonona amin’ny sitrany hahay ety an-tany eee!!

2- Tsy misy nateraka ho rakotr’adin-tsaina
Tsy misy voahozona hitakiky hiferin’aina
Tsy misy nateraka hitalaho k’hamindrana fo
Handady amin’ny hafa fa tsy manana ambom-po tononkira.serasera.orgeee!!

REF: Tsisy afa-hatoky tena irery k’havita tena
Fa nofo aman-drà tsy maintsy mena ambany mena
Izay no mba hifanomezan-tanana k’hifanampy
K’izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary eee!!!

3-Raha sendra ka itongilanam-bitana ianao
Fady ety an-tany anie no handeha hizahozaho
Tsy misy tapitr’ohatra ho lafatra sy anjely
Fa ny iray segondra ho avy anie ka misitery eee!!


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : MIckael
Mpamaky : 58
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahiana.dafy2015
Tamin'ny : 11/09/2017 14:33:00
ID : 9981

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo