You are here: home > Tononkira > MIckael

Ny marina (MIckael)


1-Ny marina azo ekena
Tsy azonao tefena
Ho lasitra iray, amizay
Fombafomba iray
Ny marina ambony
Tsy amboarina intsony
Handeha hifandraika amizay
Toe-tsaina iray
2-Ny rariny ekena
Dia toa volamena
Na lotoina ahoana
Manjopika foana
Ny rariny avo
Tsy ho hain’iza alavo
Mandefi-tsindriana
Tsy folaka na oviana
REF: ‘Nareo manan-kanja sy harena
Voninahitra ho ahiana
Ny marina ekena sy rariny
ATsiky dia ampyry hitsiny amboniana
Ka ny ohatra tsara santaro
Hiainga aminao aloha
Raha tiana ny hahita Vahoaka hiraiki-po
Ny fanahy maha-olona ambony ety an-tany
No aoka hibaiko ny atao hatrany hatrany
3-Ny hitsiny ekena
Tsy azonao volena
Fa voajanahary
Tsy saron-kabary
Ny hitsiny tsotra
Tsy fanova voatra
Tsy itompoana teny fatratra
Ombieny ombieny
REF……
(MICKAEL Album2 “ Ny amiko rehetra ” - SM PRO - 2003 - A/C: Delacre )

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : MIckael
Mpamaky : 57
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahiana.dafy2015
Tamin'ny : 04/10/2017 15:31:01
ID : 10039

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo