You are here: home > Tononkira > MIckael

Neny (MIckael)


1-Neny, ilay Hazavana mibaliaka e !
Neny, Fitia tsy mba mety ritra e!
Neny, ilay Fandeferana mangina e!
Neny, ny Fo mitempo hafaliana e!
…Nizara roa ny soa ankitsim-po tsisy tamby
Mazana no tsy tafandria mandry
Nanokana safidy hiafy higoka mangidy
Na rerak’aza tsy mety ho kivy oh! oh! oh!
2-Neny, Nahitana masoandro e!
Neny, Mizara soa isan’andro e!
Neny, ilay Fitiavana Diamondra e!
Neny, Volamena mafonja e!
…Fihantana safosafo hitTsiky dia ampyampifina idongina
Raha tojo sedra mety mpahazo
Toky zato isan-jato irony ilapiana
Manarina raha potraka lavo Oh! oh! oh!
SOLO……
…Fony i Neny ankitsim-po tsy mila sandaina a!
Ny ainy raha izay no ilaina
Ho an’ny sombinainy raha izay no fanamby
Am-pitsikiana tsy mila tamby oh! oh! oh!
Neny, tsy ampy irony teny anehoana e!
Neny, ny hira no mba kaloina e!
Neny, miampy vavaka irariana e!
Neny, ho lava andro ifaliana e!
Neny…Neny…Neny………
MICKAEL ( 2010 )

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : MIckael
Mpamaky : 83
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahiana.dafy2015
Tamin'ny : 04/10/2017 15:25:15
ID : 10037

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo