You are here: home > Tononkira > MIckael

Matahotra aho (MIckael)


1-Matahotra aho
Izao hitako izao
Matahoatra aho
Fa raho-mitatao
Miampy aizim-pito sy oram-be
Ka tsy hitako izay haleha
Iza no hantsoina?
Iza no hanoina?
Ny hikan’ity fo
Mitoloko fa tsy tana
Lavitra hazavana

2- Matahotra aho
Ka asa izay hanjo
Matahoatra aho
Ka mila hamoifo
Fa mahery, hila hamery
Mananjera tsy mamela hijoro
Mampihorohoro
Mandrerak’aina sy mampiferin’aina
Aiza re izay htononkira.serasera.orgazavana?
Mba aiza ny hafanana?… fa matahotra aho!!.......

3- Matahotra aho
Fa mijojo tsy hay tohàna
Matahotra aho
‘Ty haitram-pitsapana
Ratsy sangy, toa mandrangy
Mampahory, tsy mba miantra akory
Fa dia mamefy, mandrasa fo
Na dia efa miaiky ho resy
Aiza re izay famonjena
Hialofana fa lena…
Fa maizina amiko daholo
Ny hita manontolo

MICKAEL ( Matahoatra Aho /Album2 “ Ny Amiko Rehetra “ – SM PRO – 2003 )

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : MIckael
Mpamaky : 76
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahiana.dafy2015
Tamin'ny : 04/10/2017 15:32:08
ID : 10040

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo