Ho tia (MIckael)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho tia tsy toy ny eto an-tany
Ho tia na faly na tomany
Ho tia na dia ho sorona aza ny aina
Fitia ho azy tsy zaraina

Ho tia ho tokam-po toa siny
Ho tia na dia ananantsiny
Ho tia na inona hiantra hidona
Fitia arahina finoana

Ho tia ho tia ho saropiaro
Fitia mandresy fahavalo
Ho tia hanolotra ny fo ny tena
Ho tia ho voady ra ekena

Tsy mahalavin-tany na oviana na oviana
Hafoizana ireo sakaiza sy ireo havan-tiana
Raha mbola eto an-tany tsy hasaraka azy hatrany
Na hifandaozana @akany

Ho tia n’aiza n’aiza tany aleha
Fitia tsy mila rehareha
Ho tia handefitra raha toa ilaina
Ho tia amparafofon’aina

Ho tia ho azy manontolo
Fitia tsy misy mahasolo
Ho tia hanaiky izay ho fitsapana
Ho tia na soa na fahantrana

Tsy mahalavin-tany ……..


Ho tia @fo fanahy sy saina
Fitia tsy manan-ko antenaina
Fitia voafehy anaty teny iray hoe
Ho tia anao mandrakizay
Fitia voafehy anaty teny iray hoe
Ho tia anao mandrakizay

Mickael
--------
Rohy:
Hevitra
raffah ( 08/01/2015 06:54)
Misaotra an'i sandimar o! Ela be mihitsy no nitadiavako an'ito izay fa izao vao nahita. Hira tsara nefa tsy heno matetika tamin'izany fotoana ary tsy heno intsony mihitsy angamba izao. Sao mba misy mp3 azo zaraina any aminao? Misaotra hatrany e :)
kanto01 ( 26/07/2018 09:42)
za manan Mp3 azy io
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIckael
Vangy : 3242
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sandimar
Daty : 16/10/2014 14:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727