You are here: home > Tononkira > MIckael

Fitia langalanga (MIckael)


1-Tia ahy ianao nefa aoka tsy ho tsiny
Raha toa ka valiako hoe: tsia
Namako anie ‘lay niarahanao iny
Tsy hamitaka azy aho sanatria
Izahay roalahy ela no nifanasoa
Nifampizara izay nanjo
Tsy mba nifanafina izay tao am-po
Mihoatra ny mpiray tampo
2-Tia ahy ianao f’aleo aoka hatreo
Ho valiako avy hatrany hoe: tsia
Tsy amboly alahelon-drahalahy aho no hiseho
Hanorom-pitia sanatria
Izaho atokisany indray ve no ho sahy
Hanatsatok’antsy azy ivoho
Ianao izao hanjono ahy sy haka fTsiky dia ampyanahy
Ho vandana imasony aloha
Ref: Fitia langalanga, tsy am-po fa kilalao
Fitia rambaramba, kajin’ny tia vao
Afo mandoro anie izao atsanganao izao
Tsy maintsy hikoro fa mora mankalao
3-Tia ahy ianao nefa toa tafahoatra
Iangaviako ianao miakanjo
Sangy mihoatra ny loha izao ka aoka
Hainao fa tsy hitondra soa
Azoko atao tokoa ny hanararaotra
Hanjary ho sakaiza manody
Ka tsy ambony fitaka aho ny hanamboatra
Fitiavana tsy maintsy hanody
Refrain......
MICKAEL ( Fitia Langalanga /Album2 – SM PRO – 2003 )

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : MIckael
Mpamaky : 97
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahiana.dafy2015
Tamin'ny : 04/10/2017 15:32:23
ID : 10041

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo