You are here: home > Tononkira > MIckael

Eo foana aho (MIckael)


1-Toky feno hijoro ho sahy
Ho akaikinao foana aho
Hamaha ireo ahiahy
Ratram-po sy fanahy e!
Toky amizay manjo
Ho eo aho raha tian-dry koa
Mba hitonian’ny fo
Sy hitrakan’ny loha e!
Raha sento no mandavo, izaho no tomany e!
Rehef’ indry ravoravo, tsapako ho mamy e!
Ilay fitia miaina ato anaty
F’afa miazara aminao izay tsy tanty e!

2-Toky dina iray tononkira.serasera.orgmafonja
Teny fohy tokana monja
Raha tojo sedran’onja
Ho eo aho fa tsy hiova
Toky antok’ho fiaro
Amy setram-pahavalo
Tsy miofo tsy hivalo
Matotra tsy mandalo
Efa nafoinao ho ahy manontolo
Ny fonao tia, ka tsy maintsy aho hijoro
Mba ho mpiahy sy ho mpikolokolo
Ka na inon’hiseho, dia ho eo aho, ho eo tsy ho leo…yé yé yé…..


MICKAEL ( Eo foana aho / Album3 - XMIND -2007 )

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : MIckael
Mpamaky : 114
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahiana.dafy2015
Tamin'ny : 11/09/2017 14:39:32
ID : 9982

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo