Atataovy aho (MIckael)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ATATAOVY AHO
1-Atataovy kely aho raha mba mety azafady
Fa mavesatr’entana aho ka dia mba miangavy
Fanampiana aminao - Fanampiana aminao
Mbola lavitr’ezaka ny làlan-kombàna
Efa lasa saina ny olon’any an-tanàna
Sasa-miandry izy izao
2-Atero hatretsy ankodimirana aho raha tsy ahadiso
Sao tratra alina eny an-dalàna eny no ahiako
Ny orana mitatao - Ny orana mitatao
Ny lalana mangina nefa onjoko indrisy
Ka mba tsinjovy kely mba mandra-pidify Raha toa azo atao
Ref: Koa atataovy aho (2) izay no iangaviako
Fa mba maika hody sasa-miandry izay ny fianakaviako
Koa atataovy aho (2) raha toa azo atao
Fa sitrak’amiko enti-matory anie ny famonjenao
3-Mba ampindramo Tanana azafady tohano
Fa mavesatr’entana aho raha mody any an-trano
Sao tratra aoriana - Sao tratra aoriana
Hariva ny andro nefa ity ny tany tsy mandry
Efa tsindrin-daona izay razoky sy zandry
Raha tara fodiana e…Raha tara fodiana…
Refrain….
MICKAEL ( Atataovy aho / Album1 – Auto Production – 2000 )
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIckael
Vangy : 1070
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahiana.dafy2015
Daty : 28/10/2017 15:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752