Sarobidy loatra (Mi.A.Z.A.)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarobidy loatra Tompo ô! ny nanavotaNAO anay
Nekenao mba ho sorona ny Tenanao mba ho may
Tsy nahoanao akory izany ratra sy ny vono koa
Hatramin'ny eso sy ny latsa
NozakaiNAO avokoa

Sarobidy loatra Ry Jesoa ny nanoloraNAO ny Ranao
Izay nijininika nitete avy tao Kalvary tao
Maro be no nino fa tena Andriamanitra Ianao
Fa tsy zakan'olombelona ny mafy niaretaNAO

Sarobidy Andriamanitra ô! izany Fitiavanao
Toy ny tsy mba nolalainao ny Zanaka lahitokaNAO
Ny fonay olombelona tsy mba mahatanty izao
teny tokana Ry Tompo ô! misaotra e misaotra Anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mi.A.Z.A.
Vangy : 1228
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fengyi
Daty : 03/06/2016 10:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2252