Aloky ny lasa (Melodyum)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ekeko izao anjara izao
Ny fisiako efa nolavinao
Na ny aiko izay nisy nanjary neninao
Ilay fijerinao mankahala ahy

Ilay Aina izay nomeny ahy
Dia nalainao, noheverinao fa anao
Toa tsy mba nisy henatra ny fijerinao
Ireto masoko niangavy tsy mba niantranao

Fa indray andro any
Mbola hifanena amin'ny lasa ianao
Hampatsiahy anao indray fa izy efa nandresy
Na dia nailikao aza izy dia tsy hanaiky
Ho resy

Te hiverin'dalana ianao
Indrisy tsy afaka intsony
Tsakoin'ny nenina nefa tsisy azo atao
Mitazana ny lasa tomany ny am-ponao

Nefa izay lasa dia lasa
Na mangidy sy mavesatra
Ilay tenako lena tsy mba nisy nialofana
Ilay vatako noana tsy afaka niarina

Ref: fa indray andro any..


Tonony sy feony : Miando
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Melodyum
Vangy : 802
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 04/05/2018 19:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734