Anao manontolo (Melky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iza intsony moa no hihaino ahy raha hitaraina
Raha tsy eo ianao mangaina
Iza ihany koa no mba hihantahantana
Raha toa ianao lasàna
Tena tsaroana ho banga
Raha izany tokoa no hitranga

Refrain: Aza ilaozanao irery eto aho
Fa ory ity fo torotoro
Raha ny amiko rehetra tsy mba mandao
F'efa anao, anao manontolo

Tsy hafa antenaina f'efa enao ny hery sy aina
Ampisokatra ilay maraina
Mirana avokoa izany saina sy ny fo
efa henika anao tokoa
Sarotra ho ahy ny hanavao
efa feno tanteraka anao

Refrain: Aza ilaozanao irery eto aho
Fa ory ity fo torotoro
Raha ny amiko rehetra tsy mba mandao
F'efa anao, anao manontolo
Refr: Aza ilaozanao sns.....

Na iza hiseho andrabiraby eo
Ny foko efa tia tsy ho leo
Fa ianao ihany no mamiko indrindra eto an-tany

Refrain: aza ilaozanao sns...
--------
Rohy:
Hevitra
manou2asos ( 09/07/2015 19:34)
mety be amiko lay hira tohizo fa tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Melky
Vangy : 15605
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : pouussy
Daty : 17/07/2010 15:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073