You are here: home > Tononkira > MED'S CHOIR

Tokana ihany (MED'S CHOIR)

Mahavariana izao tontolo izao                        
Mahasondriana feno zava-baovao
Saingy ireny ve…
(Tena mahasoa)
Saingy ireny ve…
(Tsara avokoa)

Mahasarika ny etsy sy eroa
Mahaverivery saina feno fanaranam-po
Saingy ireny ve…
(Tena mahasoa)
Saingy ireny ve…
(Tena tsara avokoa)

Ref: oh ohoh
Tokana ihany raha ny  zavatra ilaina
Rendrarendran-tany ve no haningotra ny aina
oh ohoh
Tsy aleo ihany ve mandray ny famonjena  ohoh
Mba anananao fiainana mandrakizay
Oh  ohoh
Mba saino ihany re izay hiafarana
Tsy ilaozanao mitady ‘zay  hampamirana ny saina
Otononkira.serasera.orgh ohoh
Fa diniho ihany re ny loza mitatao oh
Raha toa ka tsy horaisinao ny famindram-pony

Diso zavatra iray loha ianao                            
Raha toa ka mikatsaka an’izao tontolo izao
Saintsaino re…
(‘zay tokony atao)
Saintsaino re…
(Ho aiza ny fanahinao?)

Inona ny soa ho azon’ny olona iray izay
Mahazo ny rehetra nefa very ny fanahy
Saintsaino re…
(‘zay tokony atao)
Saintsaino re…
(Ho aizany fanahinao?)

Ref x 1

Eh yeh !Eh yeh! Eh yeh!(tokana ihany...)
Eh yeh !eh yeh! Eh yeh!(tokana ihany...)
Eh yeh !eh yeh! Eh yeh!(tokana ihany...)
Eh yeh !eh yeh! Eh yeh!

Ref x 1

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : MED'S CHOIR
Mpamaky : 77
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : eliopatrick
Tamin'ny : 07/08/2018 17:50:43
ID : 10855

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo