Ny foko atolotro Anao (MED'S CHOIR)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny lalana izay nanefenao ahy
No hany ahitako ny tavanao
Sarotra fa tsy maintsy ho diavina
Na mamaivay ireo fakam-panahy
Indrisy fa ny ota no manasaraka ahy
Tsy ahatsapako ny fanatrehanao
Koa miangavy aho,mitalaho aho ry Ray
Ny tananao mahery iriko hanafaka ahy

Ref:
Mamindra fo amiko
Fa mahatsiaro reraka aho
Mila anao aho Andriamanitra ô,
Afaho ny fanahiko
Vonjeo aho noho ny famindram-ponao
Mba tsy hanenina aho, tsy ho tara
Raha sanatria fahafatesana no haka ahy
Zay vao lavenona hijaly mandrakizay
Koa faingana ianao
Ity ny foko atolotro anao

Ny lasako manenjika, manameloka ahy
Reo ratsy vitako taloha mitamberina
Ampianaro aho hahay hamela heloka
Ny tenako sy reo zay nadratra ahy
Omeo fo sy saina toem-panahy vaovao
Diovy amin’ny ranao soa ny ao anatiko ao
Ahafahako mandray ny famonjenao
Ka olom-baovao aho manomboka izao

Ref:
Mamindra fo amiko
Fa mahatsiaro reraka aho
Mila anao aho Andriamanitra ô,
Afaho ny fanahiko
Vonjeo aho noho ny famindram-ponao
Mba tsy hanenina aho,tsy ho tara aho
Raha sanatria fahafatesana no haka ahy
Zay vao lavenona hijaly mandrakizay
Koa faingana ianao
Ity ny foko atolotro anao

Faingana ianao Tompo ô hamonjy ahy
Faingana ianao Tompo ô hanafaka ahy
Faingana ianao Tompo ô hamonjy ahy
Faingana ianao Tompo ô hanafaka ahy

Faingana ianao (faingana ianao)
Mifona aho(mifona aho) Jesosy o
Tsy mendrika ah(tsy mendrika aho)
Ny fitia (ny fitia)
Ho Anao

Ref:
Mamindra fo amiko
Fa mahatsiaro reraka aho
Mila anao aho, Andriamanitra ô, afaho ny fanahiko
Vonjeo aho noho ny famindram-ponao
mba tsy hanenina aho,tsy ho tara aho
Raha sanatria fahafatesana no haka ahy
Zay vao lavenona hijaly mandrakizay
Koa faingana ianao
Ity ny foko atolotro anao

Ny foko atolotro anao
Miandrandra fiainam-baovao
Ry Jeso hanjakao ny fiainako
Indro atolotro anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MED'S CHOIR
Vangy : 1240
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : eliopatrick
Daty : 07/08/2018 17:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2474