You are here: home > Tononkira > MED'S CHOIR

Mino aho (MED'S CHOIR)

Maro ny sedra holalovako sy izay tokony atao
Ny lalana izay nofinidiko iarahako aminao

Hanao ny sitraponao,zay no faniriko
Hanaraka ny dianao
Hanohy ny asanao
Hanasitrana ny aretin’ny nofo,ny aretin’ny fanahy (fanahy)

Mino aho,mahatoky Anao
Mino ny fitiavanao
Mino fa ny ho aviko
efa voalaminao

Ankehitriny andao
Minoa azy koa ianao
Tsy diso anjara izay mahatoky Azy
Sokaftononkira.serasera.orgy ho Azy ny fonao

REF:
Izy hamela heloka
hanampy anao ka handamina ny hoavinao

Mino aho,matoky anao
mino ny fitiavanao
mino fa ny hoaviko (Ny hoaviko efa anao Andriamanitro ô)
efa voalaminao
[eo an-tananao ny fiainako]

Mino aho,matoky anao( matoky Anao...)
mino ny fitiavanao
mino fa ny ho aviko (mino aho fa ny hoaviko...)
efa voalaminao (efa voalaminao...)

efa eo an-tananao
izaho miankina aminao

Hevitra mandeha

ikalamako (07/08/2018 17:52:14)

Tsy misy fisaorana @eliopatrick o ! zay metimety hatrany no ezahantsika

eliopatrick (07/08/2018 16:41:05)

mankasitraka indrindra tompoko t@ toro hevitra.

ikalamako (06/08/2018 16:57:47)

@eliopatrick : raha tsy mahadiso ange mba amboary ho zanatsoratra rehefa mampiditra hira fa manahirana maso ilay izy toa izao. Ary indirndra ho sahirana ianareo rehefa hihira ka renitsoratra be toa io ny tononkira arahana.
Mankasitraka

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : MED'S CHOIR
Mpamaky : 149
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : eliopatrick
Tamin'ny : 06/08/2018 16:56:16
ID : 10846

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo