You are here: home > Tononkira > MED'S CHOIR

Mahagaga (MED'S CHOIR)

Andriamanitra mahagaga Ianao
Vatolampy sy fiarovana ho ahy
Nanafaka ny otako ny zanakao
Nanavotra ahy, nanome ny fanahy

Ianao Jehovah ô no hany itokiako
Aoka tsy ho menatra aho noho ny anaranao
Fa Tompo tsara Ianao sy ampy hifaliako
Mamiko indrindra Ianao (ka mendrika ho deraina)

Ref:
Tsy hitsahatra aho
ny hidera Anao
Fa lehibe  ny fitiavanao
Matoa  aho  toy izao ,
Dia noho ny fahasoavanao

Tsy hitsahatra aho ny hidera Anao
Fa lehibe ny famindram-ponao
Ary indro atolotro,
Ireo andro sisa iainako
Ho fankalazana anao ry tsitoha

Namako akaiky Ianao amin’ny andro fahoriana
Raha sendra ady sarotra aho, atatononkira.serasera.orgoko am-pitsikiana
Satria nomenao hery handresy hatrany hatrany
Mahatonga ahy hanandram-peo (raha mbola velon’aina ihany)

Ref:
Tsy hitsahatra ny hidera Anao
Fa lehibe  ny fitiavanao
Matoa  aho toy izao ,
Dia noho ny fahasoavanao
Tsy hitsahatra aho ny hidera Anao
Fa lehibe ny famindram-ponao
Ary indro atolotro,
Ireo andro sisa iainako
Ho fankalazana anao ry Tsitoha

Mahagaga ny zava-bitany
Nohariany izao rehetra izao
Mahagaga fa nafoiny hatramin’
Ilay zanany natolony ho fanavotana ho ahy sy ho anao

Haleloïa,haleloïa
Derao ny Tompo @ fihirana
Mitsangana ianao, avia mankalaza  (in-3)

Haleloïa haleloïa ouhh !
Ankalazao (in-4)


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : MED'S CHOIR
Mpamaky : 81
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : eliopatrick
Tamin'ny : 07/08/2018 17:51:08
ID : 10852

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo