Jeso fifaliana (MED'S CHOIR)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Handeha hankalazao ny Tompo Ray Tsitoha
Fa lehibe ny famindrampony amiko sy aminao
Handeha hankalazao ilay Jesoa be fitia
Fa mandrakizay ny fahamarinany
Koa andeha ry namako homany ny fonao
Hiara anandratra fiderana Azy

Asandrato ny feonao hihira mafy hoe:
Tsara ny Tompo Andriamanitra

(solo lehilahy) Maraina vaovao masoandro mihiratra
Deraiko ny anaranao ry Ray mpitantana
Fifaliana, fitsikiana sy fo ravoravo
No handraisako ity tontolo androko
Ambany fanatrehanao ry Jesoa tompoko

(solo vehivavy) Maraina vaovao masoandro mihiratra
Deraiko ny anaranao ry Ray mpitantana
Fifaliana,fitsikiana sy fo ravoravo
No handraisako ity tontolo androko
Ambany fanatrehanao ry Jesoa tompoko

Ref:
Handeha hankalazao ny tompo Ray Tsitoha
Fa lehibe ny famindram-pony amiko sy aminao
Handeha hankalazao ilay jesoa be fitia
Fa mandrakizay ny fahamarinany
Koa andeha ry namako homano ny fonao
Hiara anandratra fiderana azy

Asandrato ny feonao hihira mafy hoe:
Tsara ny tompo andriamanitra

(solo lehilahy) Fifaliana mandrakariva no azonao ao aminy
Fiadanam-po, fitsaharana rehefa eny an-tsandriny
Fifaliana,fitsikiana sy fo ravoravo
hahatsiaro maivana ianao
F’efa navotany, navelany ny helokao rehetra

(solo vehivavy) Fifaliana mandrakariva no azonao ao aminy
Fiadanam-po, fitsaharana rehefa eny an-tsandriny
Fifaliana,fitsikiana sy fo ravoravo
Hahatsiaro maivana ianao
F’efa navotany,navelany ny helokao rehetra

Ref:×2
Handeha hankalazao ny Tompo Ray Tsitoha
Fa lehibe ny famindram-pony amiko sy aminao
Handeha hankalazao Ilay Jesoa be fitia
Fa mandrakizay ny fahamarinany
Koa andeha ry namako homany ny fonao
Hiara anandratra fiderana Azy

Asandrato ny feonao hihira mafy hoe:
Tsara ny tompo andriamanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MED'S CHOIR
Vangy : 909
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : eliopatrick
Daty : 07/08/2018 17:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3838