Aza matahotra (MED'S CHOIR)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona no azo antenaina
amin'izao fiainana izao
hakiviana ,sento sy taraina
Mangidy sady mihatra @ amin'ny ainao.
Marary ny loha,ka mila hamoy fo
fa tena tsy zaka , mavesatra anao
Todiho ka jereo
f'injay misy feo
manao hoe : "aza matahotra"

Ref:
Fa efa nanavotra anao Izy
satria tiany ianao lay malalany
tolory azy ny fonao, lazao aminy hoe :
"Jesoa tiako ianao"
Dia ahita fiadanana lehibe ianao
satria tojo namana tsy mandao
Fitiavana mandrakizay doria
Hozarainy ho anao zanany.

Tsarovy fa eto amin'ity tany ity
no ahitanao fahoriana maro.
Minoa Azy ka tafio Jesoa kristy
hiaro anao ilay mpiandry tsara.
Fifaliana tokoa sy fiadanam-po
no ataony mandravaka ny fiainanao
Ireo ahiahy, Izy hanafaka
ankino aminy fa aza matahotra

Ref×1

Aza Matahotra (Ary Aza Miherikerika)
Aza Matahotra (Homba Anao,Homba Anao Andriamanitra)
Aza Matahotra (F’izy Tompo No Hamonjy Sy Hanafaka …)
[Fifaliana Tokoa Sy Fiadanam-Po
No ataony Mandravaka Ny Fiainanao]
Ireo Ahiahy,Izy Hanafaka
Ankino Aminy Fa Aza Matahotra,Fa..
Refx1
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MED'S CHOIR
Vangy : 917
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : eliopatrick
Daty : 07/08/2018 17:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0706