Mpilalao fitia (Mbolatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia nakisakisakao ny foko
hitanilanila hiafiafy teo an-tsisin’ny fonao
Mpilalao fitia
tsy vonona hiara-dia
zatra loatra nankafy lalao fitia
Na dia tsy ho zakako aza izany
dia nekeko ho kilalao
hifantohan’ny sainao
mpilalao fitia
dia tafara-dia
dia nandramantsika ny lalao fitia

kanjo ela ny ela
ritra teo ka tsy nisy tavela
’lay fitia nokasaiko ho anao
nataonao kilalao

ianao ilay mpilalao fitia
indray no tsy very dia
nanjary tia dia tia

dia nakisakisako ny fonao
hitanilanila hiafiafy
teo an-tsisin’ny foko
mpilalao fitia
tsy vonona hiara-dia
zatra loatra nankafy lalao fitia

kanjo ela ny ela
ritra teo ka tsy nisy tavela
’lay fitia nokasaiko ho anao
nataonao kilalao

ianao ilay mpilalao fitia
indray no tsy very dia
nanjary tia dia tia



Pour Rindra(Dadah), de celle qui t’aimera toujours...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mbolatiana
Vangy : 5417
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 22/03/2004 01:20
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8428