Roapolo taona (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Roapolo taona nanofy ho tiana
Niaretan'ireo fahoriana
Tao koa ireo fifaliana
Nifandimby izany
Ka nahoana re ny toe-panahy
Dia nahoana koa ny momba ahy
Sa mamitaka fotsiny ianao
'Zao ataonao 'zao

Ref:Ka misaotra anao aho tompo ô!
Fa notahianao
Fa roapolo taona niaraha-nahita
Fa saika tsy vita
Raha ny marina koa no hambara
Ho mpitory ny filazantsara
Raha Jesô no nifidy anay
Manaiky izahay e!

Izahay feon'ny fiderana
Tsy hiemotra na koa hiala
Fa ny vavaka asandratray
Mba ho ao aminao ry Ray
Izahay izay mbola tavela
Tairo foana mba hatsiaro tena
Tsy hanao hatsirambina ny fiderana9 anao

Ref:Ka misaotra anao aho tompo ô!......

Ho anao izay mandre ny antsonay
Be ny teny efa nambaranay
Fa ny hany hamhezanay azy
Mandraisa ny tompo
Izy lalana sy fahamarinana
Sady fiainana koa ho anao
Aoka hibebaka mba handovana 'lay mandrakizay e!

Ref:Ka misaotra anao aho tompo ô.......
--------
Rohy:
Hevitra
miaranamih ( 19/05/2016 02:43)
Roapolo taonan'ny Feon'ny fiderana teto @'ny FJKM MORARANO FIDERANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ny fiderana
Vangy : 1142
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : miaranamih
Daty : 19/05/2016 08:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0983