Never stop dreaming ( -- Mbola tsy fantatra --)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mianjera ialahy androany
Miomàna hiarina radem an an
Zay nirodana ry man
Mbola afaka ho harenina an an
Aza kivy am zay fiainana an tany
Tsy maintsy misy foana ny otran'zany
Efa toetran'zany, tsisy ankotran'zany
Elah ve oa de, ho resin zany
Fa zay ko matoa namana
Dia vonona hanome tanana an an
Raha toa ka diso lalana
Na miakatra fiakarana oa

Hanakatra ny lanitra ianao
Hanakatra ireo nofinao
2*

Fa mety mbola hideza be
Ny elanelana mankany
Mety mbola ho ngeda be
Fa tsy maintsy hoe nandady vao nianatra mande
Zay tsy nahafaty, hanome hery be dia be
Faa, n'iza hanakana ny dia
N'iza hilaza ho tsy tia
Ny hijanona dia sanatria
Fa tsy maintsy miady

Hanakatra ny lanitra ianao
Hanakatra ireo nofinao
2*

Iny lanitra iny e
Raha ho takarina tsy ho takatrao
Ady ny fiainana
Mino ah fa fantatrao
Tsisy mafy tsy laitrin'ny zoto
Tsisy mafy tsy laitrin'ny boto
Fa Jah ihany no inoako
Izy no afaka mamafa ny hadisoako
Fa ny hatsembohan'ny tavanao no ihinananao
Ianao ihany no hifaninanao fa tsy namanao
Dia raha samy hanao ihany ve
Tsy aleo manao ny tsara e
Jereo aloha zay vita
Zay ianao oa vao mitsara e
Fa reo mpanonofy hono
Tsy maintsy mbola hianjera
Za oa tsy mino an'zany
Fa za matoky valeur
Na mangidy aza io iafiko
Tsy maninona a
Never stop dreaming yeah
Never stop dreaming ouoo

Hanakatra ny lanitra ianao
Hanakatra ireo nofinao
2*
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : -- Mbola tsy fantatra --
Vangy : 2012
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Baohasina
Daty : 07/03/2018 12:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893