Miaramila an'ady (Ny Alon-drano)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ady efa vita, nangina avokoa
Ny basy sy tafondro nanakoako tao,
Ireo miaramila dia efa samy lasa koa,
Namonjy ny akany nilaozany taloha.

Izaho irery kosa mbola tafajanona,
Azo babo manko ka nigadra elabe.
Ireo havako efa nanadino ahy,
Noheveriny ho maty aho ka nisaonany.

Nanoratra ihany aho ho any amin'izy ireo
Fa izy tsy namaly ny taratasiko
Izaho irery sisa sy ny eritreritro
No tokana manjeny an-tanin'olona

Vesaran'alahelo lasa vetso lava izao
Manembona isan'ora ny any aminay
Mahatsiaro ireo sakaiza sy ny hehy fahagola
Maniry ny hiverina any an-tanindrazako

Ry kapiteny o, ho aiza moa ny sambonao ?
Raha misy toerana mba ento aho re!
Tsy mampaninona ahy ny hiasa aminao,
Izaho tsy manam-bola kanefa te-handeha.

Na efa nanadino aza ireo sakaizako,
Efa lasan'olon-kafa izay ilay malalako,
Dia ento ihany aho hody any aminay,
Hahita maso indray ilay hany tanindrazako.
--------
Rohy:
Hevitra
jantina ( 02/06/2015 09:13)
Hiran'i Simon Randria angamba ity izay
MAHERIJAONA ( 31/03/2017 12:07)
NY ALON-DRANO NO MIHIRA IO HIRA IO !
ikalamako ( 31/03/2017 15:59)
tena Alondrano marina annn.. toa manakaiky ny fitadidiako tokoa izay fa nisy fotoana koa aho nieritreritra hoe sao dia Simon Randria.
Misaotra anareo e
svetlanadia ( 26/04/2017 21:34)
Ny ady efa vita, nangina avokoa
Ny basy sy tafondro nanakoako,
Ireo miaramila samy lasa nialoha
Namonjy ny akaniny nilaozany taloha.

Izaho irery sisa mbola tafajanona,
Fa azo babo aho ka nigadra elabe.
Ny havako rehetra efa nanadino ahy,
Noheveriny efa maty aho ka dia nisaonany.

Kapiteny o, aiza moa ny sambonao?
Sao misy toerana any mba ento aho re!
Tsy mampaninona ahy ny hiasa aminao,
Izaho tsy manam-bola nefa kosa te-handeha.

Na efa nanadino ahy ilay sakaizako,
Ka lasan'olon-kafa ilay malalako,
Mba ento aho re hihaona amin'izireo
Hahita maso indray ilay tanindrazako.
svetlanadia ( 26/04/2017 21:36)
Mba mitady ny feon'ity hira ity raha mba misy mahalala any amin'ny youtube na vevo na hafakoa.
Misaotra mialoha.
matony28 ( 29/04/2017 19:31)
Mitady ny tonokira "ô ry anaka tiako" nosoratan'i NDROY ary nohirain'i tanora moks la haute tao @ salle des fêtes du lycée gallieni.
Lô,Roby,Hary,Hery,Denis,Théo,Potsy,Razama ireo mpihira...T@ izany.
Ireo tary mpihira teo antanimalalaka Lahaute ary anisan'ireo nipoiran'ireo hira maro(sôva,hira) navaozina ankehitrio.
Misaotra mialaoha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Alon-drano
Vangy : 3710
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 19/09/2013 11:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715