MANDROSOA RY VOKOVOKOMANGA ( -- Mbola tsy fantatra --)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Olombelona afeno hasambarana,
Ara-panahy sy saina ara-batana,
Eo ambany hasoavan'i Kristy.
Ny fisotro mahamamo mahadomelina,
Reo no fositr'izay hotoerina,
Fa manimba saina tena sy fanahy

REF:Mandrosoa ry vokovokomanga,
Ny laharana aza avela ho banga,
Jesoa Kristy Tompo tsy mitsahatra,
Homba anao maharitra.

2.Fisantarana ny fiainana any an-danitra,
Dieny mbola eto an-tany no filamatra,
Ao anatin'ny fifankatiavana.
Ny fisotro mahamamo mahadomelina,
Izy ireny kosa indray dia mamarina,
Any an-kady antsika olombelona.

REF: 2 fois
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : -- Mbola tsy fantatra --
Vangy : 3827
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : TOIRAM
Daty : 02/08/2017 21:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0854