HIAINO AM-PINOANA ( -- Mbola tsy fantatra --)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HIAINO AM-PINOANA
Tano fa aza ialana e ! ny finoana ananao
Jesoa no tiako ambara, eo aminy mitantara
Aza atao mahakivy e ! ny olana, ny jaly
Fa fombany ihany io ka aza tomany

Hiano am-pinoana ny sarotra misy
Fa ny antom-pisiantsika dia izay mihitsy
Irahina mba HIADY, sy handrombaka FANDRESENA
Ka ny sori-dalany aloha ekena

Rakotra olana, izay feno ahiahy
Miezaka mivoatra, miezaka mamaha
Mino anao izahay ry Tompo o ! tantano ho tafita e
Hangina izahay fa Anao re ny sisa a

Hiano am-pinoana, Hiano am-pinoana
Fa tambatambazany ianao tsy hirona
Mihantra amin’ny ainy ianao raha voadona
Ny zava-drehetra, hiano am-pinoana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : -- Mbola tsy fantatra --
Vangy : 3762
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : maman_Johary
Daty : 07/02/2018 07:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3687