feo miantso ( -- Mbola tsy fantatra --)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy feo
Anatinao ao izay mandona
Mibitsika moramora
Mitsoka isanandro,isan'ora
Henoy indray izany anio

Feo miantso
Fanavaozam_panahinao
F'efa madiva,iva dia iva
Io masoandro andrefana io

Miandry anao
Ny tomponao,injao tia anao
Miantso isanandro,isan'ora
Faingana ianao,handray azy
Henoy indray izany anio

Feo miantso
Fanavaozam_panahinao
F'efa madiva,iva dia iva
Io masoandro andrefana io

Misy feo
Anatinao ao
Henoy indray izany,anio
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : -- Mbola tsy fantatra --
Vangy : 5701
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : lafee
Daty : 21/12/2015 09:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0711