Rehako anio fa tiako ianao (Fafah Rabenatoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao,
izao hira izao
ianao ilay tiako indrindra
nefa tsy ampy ny teny
tsy ampy ity hira ity
hilaza ilay fitia
ao anatiko ao
ho anao
satria tsy hay lazaina
tsy ho takatry ny saina
nefa hiezahako ihany
ny hilaza izany

Ref:
Fa n'aiza n'aiza misy anao
N"inon'inona atao
Dia tsarovy hatrany
fa misy any ho any
fo iray,mitempo ho anao
Fa n'aiza n'aiza misy anao
na tsy hino aza ianao
dia averiko indray
fa hatrizay na izaho na ho mandrakizay
mandrakizay...tiako ianao

Fa na omeko anao aza
izao tontolo izao
dia mbola tsy ampy
hilaza ny ao anaty
Ho anao
satria tsy azo ariana
tsy ho ahy takarina
ny fataoko izao
satria tiako ho tsapanao

Ref:.......
--------
Rohy:
Hevitra
Mahery256 ( 23/11/2018 21:05)
slt , mbola tsy misy mahafantra an ny mpihira an ity hira ty ve ato, ? rah mba misy de mba valio. misaotra oooo
zetsarazony ( 11/02/2019 12:09)
Slt, sao dia mba ananao io hira io fa mitady aho dia tsy nahita mihintsy, misaotra mamaly
zetsarazony ( 11/02/2019 12:28)
Mahery256, rehako anio fa « Tiako ianao » no titren’io hira io ary Fafah izany no mpihira azy tamin’ny année 80.
vatosoariri7 ( 12/01/2021 09:38)
slt ..zah mba mitady an`io hira io zay manana fa efa ela ....
vatosoariri7 ( 12/01/2021 09:38)
slt ..zah mba mitady an`io hira io zay manana fa efa ela ....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fafah Rabenatoandro
Vangy : 7263
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : tsifamamy
Daty : 09/08/2016 21:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5106