Sedram-pitia (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indray andro any ngamba ho tsapanao,hatraiza ilay fitiavana ato anatiko ato..x2

Raha ny ditra sy hadalako no hoe handaozanao ahy
Raha izay efa nikipiko angamba ianao mba diso ihany,
Asa aloha
Raha nisy ny andro mamy toa niendrika ho paradisa
Tambitamby,ny oroka,ny sangisangy sy ny sisa
Zava-poana,tambitamby
Asa!mety mba nosaininao ihany
Zava-poana

Manantsaina ianao,saino ihany raha hiteny
Hipetraka ho tantara sy ho tsakoina ireny

Ref:
Raha sedram-pitia mafy teo mafy teo mafy
Nanaiky ianao toa niafy teo niafy teo niafy

Indray andro ianao ahita 'lay tsy vazivazy
Asa!ho raisinao 'lay peratra fa ianao no nanolorako azy
Iny no ataoko antoky ny ho avy amin'ny andro sisa mbola ho avy
Dia hiondrika aho ka handohalika indray
Hipody ilay andro nahafantaranao ahy
Ilay andro voaloha nahafantaranao ahy
Ho aiza aho,ho aiza ianao no hanova fiainam-baovao
F'ianao no ilaiko,eny f'aza mbola mandao

'Lay foko miteny hoe boum,boum,boum
Efa tsy hay lazaina intsony
Ora mikija avy any ambony
Tsy mitete noho ny femdrongony*,baby!
Ouh! ouh! baby!
Tsy miteny aho fa mangina
Ka mba henoy,baby
Mendrika aho raha nomenao tsiny
Niezaka aho anie,nizara Anao ny mamy
Ory ianao ve raha 'lay fitia no nampijaly?

Ref:
Raha sedram-pitia...

Indray andro any angamba ho tsampanao,hatraiza ilay fitiavana ato anatiko ato..x2

Fa fitia tsy antery
Fitia madio no nomeko anao
Indrisy toa nangatsiaka
Fa tsy sangisangy..x2

Indray andro any ianao ahita 'lay...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marion
Vangy : 2907
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tsanta07
Daty : 25/07/2018 13:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4991