Raiso fa efa anao (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ireny nolazaiko ireny
no takatry ny saiko
tsy ampy angamba ireny aminao
dia androany henoy ny redirediko

ny teny toa tsy ampy ilazana ny anatiko ao
tehitory fitia foana isan'andro hoanao
tsy eto intsony fefa lavitra any

misidina ho any hanaraka anao
ho eo anilanao, f'efa resinao aho
raha ny tiako androany
hoanao ny foko ato, ka ny fotoana hiato
hitempo iray, ho iray ny foko sy ny anao

(eny fa asanao ihany)
raiso ny foko f'efa anao
ny saiko ny fanahy
eny raiso f'efa anao
(eny fa asanao io)
ny amiko manam-petra
fa ny fitia rehetra
hokoloiko tsy ho foana
satria fitia natolotrao

Injany fa mibitsika any ho any
lay feonao toa miangavy
mba mety ve rahoviana ihany
no ilaozantsika ny eto an-tany

(eny fa asanao ihany)
raiso ny foko f'efa anao
ny saiko ny fanahy
eny raiso f'efa anao
(eny fa asanao io)
ny amiko manam-petra
fa ny fitia rehetra
hokoloiko tsy ho foana
satria fitia natolotrao

Paradisa an-tany
zay no iriko ho anao sy ho ahy
zay no irin'ny fo sy fanahy
hainao fa nofinofy izany
mbola be ny sedra ho avy
lay fitia no hanampy ahy sy ianao
ny fitia no azoko omena anao
fitia madio no foiko ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marion
Vangy : 7611
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/11/2014 21:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732