Aza miherika (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy ve sahy milaza aminao any ho any
Sahy milaza ny azy ho tena mamy
Zay fitia vao mba nitsiry omaly iny ve
No avelanao hijoro sy andresy ahy
Zava-poana taminao ireny antsika ireny
Nefa dia tena marina moa
Tena sahy mintsy ianao
Vonona ny handao
Zaho tavela teo fa voa
Tsy hitana anao

Dia aza miherika intsony
Fa efa tofoka ny fo
Tsy anjara koa ny antsika roa , ilay fitia
Aleo mionona fa voa
Handroaka ny entako ihany koa
No tena antondiako
Ny alahelo anao , tsiaro anao
Tsy hamoizako ny fo
Tsy ataoko hakivy ahy

Be dia be ireo olana sy adidy izay miandry ahy
Ianao no tiako tsy ataoko ahakivy izany
Tsisy neniko ireny
Ireo mamy taminao koa dia tavela tsisy afa-bela
Mba hitsijo ny hoaviko ihany koa
Mandehana re f'aza manahy
Ilay hoavy no jereo
Fa ny antsika no hatreo
Izaho ihany koa efa leo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marion
Vangy : 7369
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 30/01/2015 18:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712