Vavaka (Marinna Lemary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra ny mahitsy làlana
Izay mandeha araka ny lalan’i Jehovah
Ka mitady azy amin’ny fo
Eny tsy manao kitoatoa
Jesosy be indrafo
Handray an-tanan-droa

Ry Rainay izay ao an-danitra ao
Hohamasinina anie ny Anaranao
Ho tonga anie ny Fanjakanao
Hatao anie ny Sitraponao
Fihiniko ao am-poko ao
Ny Teninao fa tiako Ianao

Miraikitra amin’ny vovoka ny fanahiko
Velona aho araka ny teninao

Ry Rainay izay ao an-danitra ao
Hohamasinina anie ny Anaranao
Ho tonga anie ny Fanjakanao
Hatao anie ny Sitraponao
Fihiniko ao am-poko ao
Ny Teninao fa tiako Ianao

Jesosy o, Mpanjaka
Misaotra anao

Ny rànao no nanasa ny heloka
Ry Rainay izay ao an-danitra ao
Hohamasinina anie ny Anaranao
Ho tonga anie ny Fanjakanao
Hatao anie ny Sitraponao
Fihiniko ao am-poko ao
Ny Teninao fa tiako Ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marinna Lemary
Vangy : 6046
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 02/05/2019 23:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0264