Fitia tsy tanteraka (marcello et Loulou)

Mpihira : marcello et Loulou
Mpamaky : 913
Nampidirin'i : marcello
Tamin'ny : 28/02/2010 10:50:40
ID : 5813

      Tsy tia ny masoko intsony, ny ahita ny hendrikao
      tofoka aho ankehitriny no izay efa vitanao
      say zavatra ianao ry noheveriko ho bonaika
      mahay manafin-toetra mody tsy miraika

         REF:
        Ny hetraketrakao no nandratr'izany foko
        ry tsy matao tody ry any namboraiko
        nitahiry an'ity foko hatrizay ela izay
        nohorombainao taholo nohetinao niolomay

    Avy ao amponao ve ireo teny mamy feno toky
    sa teo ambava teo ihany na tsianjery tamam-boky
    no nentinao nanangoliana ny fitiavako efa jamba
    lavo izy ka resena sendra toky rambaramba

   Parole et musique de RASOLOARISON Louis de gonzaque

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo