Aza alefa an'afobe (Manaly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mendrika aho ny hanonona ny Anaranao
Kanefa tiako hiraiko isan'andro isan'andro
Ny Anaranao ry Tompoko kilasiko ho anaram-pamonjena
K'izany no nahatonga ahy Jesoa, Ianao dia tsy afaka ato an-delako

Fiv. Raha ny fahotako no lazaina
Izaho efa tsisy fanafody
Ny fiainako rehetra raha tsaraina
Angamba efa naman'ny devoly
Nefa manome toky, toky be dia be
Fa hibebaka, aza alefa an'afobe

Indrisy Tompo tsy tonga hiantso ny marina
Fa ny mpanota hibebaka amin'ny tolotra hiarina
Inty aho ry Raiko ô, vonona hanolotra ny tenako
Aza ahifika, fa zanakao na dia maditra

Fiv. Raha ny fahotako no lazaina.....

Manome toky izahay fa hibebaka e
Fa vonona hanolo-tena, k'aza ahifika
Manome toky izahay fa hibebaka e
Fa vonona hanolo-tena, k'aza ahifika
Mangataka izahay ny famindram-ponao mba raiso re ! (x2)

Fiv. Raha ny fahotako no lazaina.....

Fiv. Raha ny fahotako no lazaina
......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Manaly
Vangy : 9344
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Bditra
Daty : 30/04/2014 20:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743