Hidera zaho (Manafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tena fatratra Miaiky ny asan'Andriamanitra 'zaho Ary fantatro Azy ny tany sy izay rehetra eo aminy Ny voninkazo, ny biby sy voromanidina, 'zaho koa dia isan'ny asan-tanany 'Zaho e! 'zaho e! 'zaho e! 'zaho e! (ouh-ouh-ouh-ouh) Hidera ny Tompo sy Andriamanitra 'zaho e! .....×2

REF: Hidera Azy raha vao maraina, Hidera Azy amin'ny feo avo, Hidera Azy satria mahafantatra, f'Izy no Tompon'izao tontolo izao Hidera Azy amin'ny lamako, Hidobodoboka aponga tapaka, Hidera Azy amin'ny anjomara, Hidera Azy amin'ny mozika, Amin'ny sodina ary ny valiha, Amin'ny tehaka sy kipantsona, Hidera ny Tompo sy Andriamanitra 'zaho e! 'Zaho e! 'zaho e! 'zaho e! 'zaho e! Hidera ny Tompo sy Andriamanitra 'zaho

Mahatalanjona Ny loharano mamonjy ny ranomasina, Sy manondraka Irony ala sy ny lohasaha maintso mavana, Ny voankazo, ny zavaboahary, ny tany; Dia 'zaho no natao hanjaka amin'izany, Zaho e! zaho e! zaho e! zaho e! (ouh-ouh-ouh) Hidera ny Tompo sy Andriamanitra 'zaho e!

REF.......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Manafi
Vangy : 1287
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : havoberesaka
Daty : 15/12/2017 12:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2015