Teny fampaherezana (Mamy Saya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hoanao izay mitady hokivy amin'ity fiainana ankehitriny
Hoanao izay bongon'ny ranomaso fa avy nolalovan'ny fahoriana
Hoanao ilay mitady foana izay mba hohanina androany
Hoanao marary mafy ambony fandrianan'ny hôpitaly
Dia nosoratako hoanao ny dia-peniko, handrafetako an'izay rehetra tazako
Hamafako ny ranomaso rehetra eny amin'ny tava
Fa ny haizina hisava mba hovoatsilon'ilay mazava
Ka ny alahelonao rehetra mba hotonga tsikitsiky lalandava
Ao anatinao ao ihany ilay fitoniana fa mbola.miafina
Ao anatinao, misy toerana hoan'ny fifaliana fa mbola takona
Mandram-piandry ny fiverenan'ny fifaliana ao aminao
Mandram-piandry ny fiverenan'ny fahasambaran'ny masonao
Dia narafitro ny sanganasako mba hotonga tanjaka hoan'ny olona rehetra
Mba hotonga vatsy hoan'ny fisainana maro
Satria ny fiainana tsy mora, ny fahavelomana koa tsy mora
Fenoiko teny mampahery anaty Rap sy Literatiora.

Fiverenany:
Mijaly marary ny fiainany
Fahantrana, fahafatesana sy tomany
Ny omaly sy androany no isainany
Izany foana ny eto an-tany
Tsarovy foana ny aoriana
Fa ny fiainana dia mitohy hatrany
Ny ampitso hitondra fifaliana
Aza kivy amin'izany

Dia hositraniko ny fonao ka tiako hotolorana fifaliana
Dia hositraniko ny vatanao satria ny teny manan-jina
Miaraka amin'ny voambolana maro sy ny sarinteny rehetra
Hamafako ny sorisorin-tsaina mba hanalavitta ny eritreritra
Dia raha feno fitiavana ny tany dia hofoana hatreo fankahalàna
Dia hofoana ny adiantrano, hofoana ny fitomaniana
Ka ny fahendren'ny fahatsapana no hibaiko ny faniriana
Dia ny aloky ny fitiavana indray no hialokalofan'ny fisiana
Na mitomany aza ianao, aza manaiky holavon'ny famoizam-po
Aza mandresy lahatra ny fonao mba hampitombo ratra ny ao anatiny
Fa mafy aza ny hetraketraka izay ateraky ny fiainana ankehitriny
Dia ampangino ny ranomaso fa mampitombo ny fatran'ny fijaliana
Avelao ny olana rehetra hoavy hanatanteraka ny filàny
Avelao ny hetraketraka hanjakazaka foana ety amin'ny tany
Fa na hoavy haka an-keriny ny olo-marina foana aza ny fasana
Dia ny fanahy voavela heloka tsy hovoateliny miaraka amin'ny fasana

Fiverenany (2)

Mamy Saya 2016
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamy Saya
Vangy : 2853
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : mamisoa.saya
Daty : 24/06/2016 14:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722