ALAHELO TSY FANTAM-PIHAVIANA (Mamy Saya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nivahiny antsokosoko tato amiko ny alahelo androany
nahafahako nanoratra an'izao rehetra izao
Dia mialatsiny ny amin'izay fahatsiarovana mety hifoha any hoany
ialako tsiny sahady raha mety handona ny fonao
fa indramiko aloha ny fotoana, handrafetako sanganasa amin'ilay mampianga-fanahy, amin'ilay mampandefa vinany
Dia hosoratako ireo fihetseham-po rehetra teraka tany anaty, ireo eritreritra mandalo ataoko tonga any hoany..
Zaho sakaizan'ny fahanginana, mpankafy fahavaratra
te handefa fisainana mandritra ny fotoana rehetra
Te hitroatra, te haoratra, te hamongatra an'ireo lasa
Te hizara ny alahelo amin'ity fiainana mandratra
Dia meteza ianao hiantefan'ny asa-soratro androany
Meteza mba holasa MPIVAHINY AN'ERITRERITRA vetivety
Satria ny aingam-panahy tsy mety ritra ary tsy mety lany
indraindray mampitraka, fa indraindray mampitomany!

FIVERENANY:
Alahelo tsy fantam-pihaviana, eritreritra mandalo
Ka ilay ratran'ny ankehitriny toa zary lasa tononkalo
Andro lasa nitomaniana, norakofan-dranomaso
Ka arakaraky ny nandrosoana no nampirongatra ny ankaso

Fotoanam-pahavaratra nofafazan-dranon'orana
Hetraketraky ny tany no mampisy ny fifandonana
Ny herisetra sy ny ady tsy nitondra vahaolana
Fa ny ampitso izay mitranga no mampitombo foana ny olana

Dia ireo izay nofinofy nefa tsy mba azo akory
Fa ny alina mangina toa tsy nahitana tory
mitanondrika hatrany, alaivitry ny fitoniana
Fa ny alahelo androany.. Tsy fantam-pihaviana!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamy Saya
Vangy : 1475
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mamisoa.saya
Daty : 15/05/2018 08:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112