Mila vonjy ny kanto gasy (Mamina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avelao aho mba hanambara
Feno be ny fo ka tsy tana
Angamba mbola tsy tara

Ny zavakanto Malagasy fahiny e!
Nampitolagaga vahiny
Tsy tazana intsony ankehitriny

Mozika kômersialy
Tsofin'ny rivotra avy any andafy any
Malaza be androany, rahampitso dia lany

Tsy sanatria aho manakiana
Fa kabary mandeha ka tsy maintsy valiana
Ka ataoko hira.

Mila vonjy ny kanto gasy
Fa ho voazanaka ny kolontsaintsika atsy ho atsy
Hmm!tongava saina re,ny fotoana anie ka mandeha e!
Aza avela hihafy ny kanto Malagasy

Miala tsiny aho ry tanora namako ô!
Betsaka ny mbola tsy takatro,
Gitara ihany no ampelatanako

Fa misy kolontsaina hafa
Mitondra ditra sy fakampanahy
Vetaveta mamoafady zalahy!

Miala tsiny aho razoky "DJ"
"Fl studio" ekeko mampandihy
Fa hafa ihany hoa ilay feom-baliha

Hafa ihany koa ikala Beritinina
Manao zafindraony eny antsaha tsy maninona
Fa tsy misy "auto-tune"

Mila vonjy ny kanto gasy
Fa ho voazanaka ny kolontsaintsika atsy ho atsy
Hmm!tongava saina re,ny fotoana anie ka mandeha e!
Aza avela hihafy ny kanto Malagasy

Hoon!
Mila vonjy ny kanto gasy
Fa ho voazanaka ny kolontsaintsika atsy ho atsy
Hmm!tongava saina re,ny fotoana anie ka mandeha e!
Aza avela hihafy ny kanto Malagasy
--------
Rohy:
Hevitra
Dahfara ( 17/05/2017 13:19)
Tena marina ny voalazan'ity hiran'i Mamina ity fa raha mitohy izao fironana amin'ny kolontsaina vahiny izao dia ho tantara sisa ny maha-malagasy antsika afaka taona vitsivitsy !!!
Antsika ka aza atakalo ny an'ny hafa fa ny azy tsy ho anao velively !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamina
Vangy : 9689
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Dahfara
Daty : 18/05/2017 00:28
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112