Avelao amin'izany (Malm Martiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain:
Mba nahagaga anah indray
Fihetsikao omaly
Za mba saika hiresadresaka
Ianao hitako variana
Masonao efa may
Ny tarehy mitady ho ketraka
Nanaovako azafady hoe non non non
Tsy izany 'lay tovovavy nafatarako anao
Menatra an'ireo akamako raha hanatona anao any
Avelao amin'izany.

Zah nefa tsy diso lera tonga ara-potoana tsara Mama
Fa inona? Fa ino 'ty nataon'ise fa nga efa maika mafy ka tsy nahatàna
Ny revy efa tondraka be
Jereo anie, Ndry efa milelalela be, tsy menatra e!
Mba marina raha hanantona any aleoko milamina eto ity koa efa fotoany lany.

Lasa mijery film indray no asako
Directa tsy mandoa vola
Sady am'lay mahafapo ny tratrako,
Natokana ho an'ny tanora
Toerana koa milamidamina tsy misy mahita
Normaly fa tato koa ny fotoanatsika
Ity ilay fitoerana tiko nitondrana
F'indrisy ianao efa lasa tsss....

Ref:....

Menatra aho tena menatra hely
Avelao am'zeigny!
Io koa tsy fôrsena nama
Samy manana ny ora vonjeny
Tsy dedaka aho fa mahalala onona ihany
Aleo ataon'ny tsy nahazo fa izaho indray izany
''Miandry amin'ny fotoana faharoa(x2)

Fa amin'izay fotoana izay
Alatsako lalina aminao ny resaka
Tsy misy hafa tsy isika ihany no mitaintaina
Tonga dia halao izao 'loh izay mavesatra
F'isika amin'io hadeha ody any an-tanana
Amin'io isika hiaraka hanatanteraka
(Voady tampoka raha toa) ilainao
Miaraka mivelatra hoatran'zao
Ho ataonay izao.

Ref:....

Mba nahagaga anao indray
Ny fihetsiko omaly
Ianao mba saika hiresadresaka
Ianao hitako variana
Ny masoko efa may
Ny tarehy mitady ho ketraka
Nanaovanao azafady hoe non non non
Tsy izao 'lay tovovavy nafataranao ahy
Menatra an'ireo akamako raha hanatona anao any
Avelao amin'izany. (x2)
--------
Rohy:
Hevitra
andriantsoahaja ( 12/04/2018 16:06)
mahafinaritra be ilay izy, mazotoa daholo ohhh
Iyumi ( 19/07/2018 09:22)
ohatran'ny tsy ampy le tononkira an'i Dyas
Fredkwel ( 26/04/2019 14:44)
Milay be
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Malm Martiora
Vangy : 23455
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : fneery
Daty : 11/09/2017 18:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738