Krismasy Ho Ahy (Malask'Art)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Thox ( Refrain ) :
Tsaroko tsara fony mbola kely,
Ny andro fahatongavan'ny noely,
Ireo kilalao maro be ho ahy,
izany ny krismasy ho ahy

JFA :
Andro malaza manandanja sady tokanana
Fatsiarovana NY niavin ilay tokana a
Ka indro zay manokana,dera ho Azy
NY fonay vatanay atolotra an 'Azy
Andro tokana anio iderana anao
Tsy inona fa krismasy ho ahy sy ho anao
Satria tonga Jesoa tiko sy tinao
Andrakotra sy hameno ny foko sy fonao

Thox( Refrain ) :
Tsaroko tsara fony mbola kely,
Ny andro fahatongavan'ny noely,
Ireo kilalao maro be ho ahy,
izany ny krismasy ho ahy

Jay :
Ho avy ho avy indray ity ny krismasy
nefa misy olona tena anaty krizy mafy
tsy mba manana fanomezana toy ny ankizy sasany
fa kilalao efa tamin taona firy ihany no mba ananany
Dadabenoely tsotra ihany ny ahy ilay faniriako
ho salama foana za sy ny fianakaviako
ho tanteraka avokoa ny zavatra rehetra tiako
ka ho afaka aminzay ny gadra rehetra nihafiako

Thox ( Refrain ) :
Tsaroko tsara fony mbola kely,
Ny andro fahatongavan'ny noely,
Ireo kilalao maro be ho ahy,
izany ny krismasy ho ahy

Rakouth :
Hafaliana Fitsikiana Hamamiana
No hitsenana ity andro fa aza Variana
Hendrika feno tsiky miramirana
No hita eny amin'ny Manana sy ny Sahirana
Dada sy Neny sy ny Zazakely
Mahita ravaka toy ny anjely
ny arabe feno jiro mireadreatra maro loko
na izaho na ianao mahita ireny feno ny fo

Thonio ( Refrain ) :
Tsaroko tsara fony mbola kely,
Ny andro fahatongavan'ny noely,
Ireo kilalao maro be ho ahy,
izany ny krismasy ho ahy?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Malask'Art
Vangy : 2846
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : harenaMitia
Daty : 17/02/2017 10:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3366