Vohay ny vavahady (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hifampitady fa azafady
Mba vohay ny vavahady
Tonio re ny fo tsy lolom-po
No hameno ny atidoha
Mandady anie trambo
Avelao ny hambo sy ny haza-lambo
Ho iza no hahazo ireo tombontsoa
Raha samy ho voa ?

Nahoana no simbaina
Ny fo sy saina
Mba hitaintaina
Ny tebiteby lava sao hisy handrava
Ny kely ambim-bava
Samy hiala maina sy hangaina
Ny ampitso vao maraina
Banjino ny ho avy
Mba samy ho favy
Isika mianakavy

Mba miezaha mifamela
Fa tsy misy ho afa-bela
Raha samy hiziriziry
Hifandratra hangirifiry

Tsy mino ny vahoaka
Fa aza apoaka ilay daba loaka
Na ‘lay maimbo vava
No handravarava
Sy hanampim-bava
Henoy aloha ireo feo
‘Zay mitoreo
Miantsoantso hoe vonjeo
Handohalika ny ranombary
Fa samy tary no mifanary
Miditra ny angano
Raha samy mamo ka hiady antrnao
Tandremo rizalahy
Tsy hisy handrsy tsy hisy ho resy
Ho potika daholo
Na ny tanora na ny fotsy volo
Tsy hisy anie izany
Fa zavadoza no fiafarany

Mba miezaha mifamela
Fa tsy misy ho afa-bela
Raha samy hiziriziry
Hifandratra hangirifiry

Tsy hifampitady fa azafady
Mba vohay ny vavahady
Tonio re ny fo tsy lolom-po
No hameno ny atidoha
Mandady anie trambo
Avelao ny hambo sy ny haza-lambo
Ho iza no hahazo ireo tombotsoa
Raha samy ho voa ?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 3068
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 20/10/2015 11:03
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122